Nihaona tamin’ireo tompona orinasan-gazety sy haino aman-jery ny praiminisitra Mahafaly Olivier. Teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo no natao ny fihaonana omaly maraina.
Nandritra izany no nilazan’ny mpampiantrano fa manaja ny fahasamihafana sy ny fanehoan-kevitra samihafa ny tenany, fa miantso kosa izy ny mba hanajana ny hasina mahaolona. Naneho fahavononana hanoka-baravarana ny mpanao gazety amin’ny fihazana vaovao eny amin’ireo sampandraharaham-panjakana ihany koa ny tenany ary nampanantena fa tsy hanavakavaka amin’ny fampahafantarana an-gazety ireo tsenan’asam-panjakana. Nanao fanamarihana mantsy ireo tompona orinasan-gazety tonga teny Mahazoarivo fa toa gazety fidifidiana ihany no amoahan’ny Fanjakana ireny tolobarotra momba ny tsenan’asam-panjakana ireny, fa tsy misitraka izany ny gazety rehetra. Nohamafisin’ny praiminisitra Mahafaly Olivier ihany koa ny zavatra tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany, nandraisan’ireo minisitra nanao fanohizan-draharaha talohan’ny nijoroan’ny governemanta tarihiny, fa dia haroso hodinihina mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena ny Volavolan-dalàna hifehy ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Dingana lehibe mankany amin’ny fisokafana sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara raha tanteraka ka mitazona ny teniny ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, fa tsy manao resaka fampandriana adrisa fotsiny. Milaza moa izy fa hatao fanao mahazatra ny fihaonana toy izao, hifanakalozam-baovao sy handrefesana ny dingana vita.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.