Actualités

Fanarenana ny toekarena malagasy Ilaina ny fikaonan-dohan’ny mpamatsy vola


  • Talata 25 Novambra 2014

Niompana tamin’ny hevi-dehibe miisa 4 ny diplaomasia Malagasy talohan’ny niketrehana ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 dia fiaraha-miasa tsara fototra niaraka tamin’ny Tahirim-bola sy ny Banky iraisam-pirenena ary ireo firenena sy vondrona vahiny mpiara-miombon’antoka, fifandraisana mendrika tamin’ireo fikambanam-paritra ahitana ny COI sy

Comesa sy ny Sadc sy ny maro hafa, fampiroboroboana ny fifanakalozana tamin’ireo firenena aziatika ary ny fametrahana ny toeran’ny firenena Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ny fandraisana anjaran’ny mpitondra amin’ireo karazana fihaonana antampony manan-danja niaraka tamin’ny fampiantranoana ireo fihaonana iraisam-pirenena. Rava tanteraka anefa ireo tombon-dahiny efa teo am-pelatanan’ny firenena malagasy noho ny tetika maizin’ireo fahavalon’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara. Lalana tokana hampiverina ny fiainam-pirenena amin’ny laoniny ny fampiharana manontolo ny tondrozotra izay neken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ka nahafahana nametraka ny fanjakana mijoro ankehitriny. Adidin’ny mpitondra tompon’andraikitra ny mampihatra io fifanarahana io tsy am-pisalasalana raha tiana ny hiverenan’ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Tsy ho tonga amin’ny tanjon’ny fanarenana ny toekarena mihitsy anefa ny Malagasy raha tsy tontosa tahaka ny tamin’ny taona 2003 ireo karazana fikaonan-doha iarahana amin’ny fianakaviamben’ny mpamatsy vola.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT