Mbola any Chine amin’izao fotoana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mijery izay azo atao rehetra miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Tao Xiamen izy avy eo nankany Guanzhou. Ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha Sinoa nataony tany an-toerana no nahatakarana avy hatrany fa miketrika ny fanokafana ny Tiko sy ny fanatsarana kokoa hatrany ity orinasa naoriny ity i Dada Ravalomanana. Izy izay efa tsy dia niresaka politika firy intsony tato ho ato fa niezaka nifantoka tamin’ny orinasa Tiko. Azo antoka izao fa ho maro ireo vahiny hiara-kiasa amin’ny Tiko ary ho anisan’izany ny Sinoa. Ny fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro anefa dia ny hoe : ho afaka hihodina sy hiasa tsara ihany ve ny Tiko sa mbola manana olana amin’ny fanjakana ? Azo antoka fa manana mpiara-miasa matanjaka maro avy any ivelany i Marc Ravalomanana, ary tsy misy olana aminy ny hamerina ny Tiko sy ny Magro ao anatin’ny enim-bolana na herintaona. Fa hanaiky an’izany ve ny fitondram-panjakana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.