Actualités

Fanarenana ny Rova Efa vitan-dRavalomanana ny 70%-n’ny asa


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Rovan’Antananarivo no harenina, hoy ny tale jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina, Françis Razafiarison. Singa iray ao anatin’ny Rova toy ireo lapa maromaro ao ny lapan’i Manjakamiadana sy lapan’i Besakana fa tsy Rova ireo akory.

 

 

Ity lapa voalaza farany ity, raha ny fanazavany hatrany, amin’izao fotoana izao no efa mandeha ny fanarenana azy ary io no mila vitaina aloha satria anisan’ny ela indrindra izay nonenan’Andrianjaka ny taona 1610. Ny olana, hoy izy, dia ny tsy fisian’ny tolo-bidy na « appel d’offre » fa rehefa vita izay dia mitady ny mpandraharaha na « entrepreneur » hanao ny tohin’ny asa. Efa vita taorian’ny fahamaizan’ny Rova, izany hoe tamin’ny andron’ny fitondrana Ravalomanana, raha ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity hatrany ny 70%-n’ny fanarenana ny rovan’Antananarivo fa efa famaranana kosa no ataon’ny fitondrana ankehitriny. Toy ny hatramin’izay moa dia ho mozea hatrany ity rova ity rehefa vita.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT