Actualités

Fanarenana ireo sekoly potiky ny rivodoza Nanomboka omaly ny asa


  • Zoma 22 Janoary 2016

Samy napetraka omaly ny vato fanombohana ny asa fanarenana ny lisea Sabotsy Namehana sy ny EPP Ambodimita, famatsiam-bola avy amin’ny banky Afrikanina misahana ny fampandrosoana (BAD) ary tafiditra indrindra ao anatin’ireo tetikasa fanarenana ny simba noho ny rivodoza Chedza tamin’ny 2015 izy ity.

 

 Efitrano fianarana 23 mahatanty rivodoza miampy trano fivoahana sy fanomezana rano fisotro madio amina sekoly 11 eto Antananarivo sy any amin’ny faritra Menabe no hahazo tombontsoa amin’ity fandaharanasa ity. Ankoatra izay dia mpianatra 5.240 ihany koa no hahazo tohana avy amin’ny Unicef. Ny fanabeazana no fanalahidin’ny asa fampandrosoana satria amin’ny alalany no hanovana ny toe-tsaina, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly nandritra ny lahateniny. Anisan’ireo laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana ny fanabeazana sy ny fampianarana, hoy hatrany ny filoha ary kendrena mba samy hahazo fanabeazana tsara kalitao ny zaza Malagasy rehetra. Nampatsiahy Rtoa Elke WISCH solontenan’ny Unicef eto amintsika fa 1,5 tapitrisa ny zaza Malagasy tsy tafiditra eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra ka ilana ezaka goavana ataon’ireo rehetra voakasika mba hiditra an-tsekoly avokoa ny zaza Malagasy tsy an-kanavaka.

 


 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT