Actualités

Fanarenana an’Antananarivo Miainga amin’ny fanajana ny fitsipika sy ny lalŕna


  • Zoma 25 Septambra 2015

Maro no nahatsikaritra omaly fa efa ilay Lalao Ravalomanana tompon’andraikitra, mpitantana sady mpitarika no tonga teny amin’ny lapan’ny tanŕna Analakely somary hentitra kokoa fa tsy tahaka ny fahitana azy hatramin’izay

 

. Tsy zava-baovao izany fa efa tahaka izay mihitsy izy. Eo ny maha reny azy saingy tsy tokony hohadinoina fa efa manana traikefa goavana amin’ny fiaraha-miasa aman’olona sy ny fitantanana olona i Lalao Ravalomanana. Tahaka izany koa ny fifandraisana na amin’ny eto an-toerana na amin’ny any ivelany, izy rahateo nipetraka maharitra tany ivelany farany teo ary nahita zavatra maro tany. Tsy takona afenina fa be loatra ny tandrevaka sy ny gaboraraka eto Antananarivo. Tena betsaka ny fandikan-dalàna, very ilay fahatsiarovan-tena, fiainan’ny samy maka ho azy no misy eto. Fanamby lehibe apetrak’i Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy ny famerenana ny filaminana sy ny fahadiovana eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara, hiaraha-miasa amin’ny mponina izany ary tsy maintsy tanterahana ao anatin’ny fanajana ny fitsipika sy ny lalàna. Tapitra hatreo ny gaboraraka ary tsy maintsy hirosoana ny fanarenana. Efa nanome toky anefa ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa atao ao anatin’ny fifampiresahana sy ny fifandresen-dahatra ny zava-drehetra ary ny tombontsoa iombonana ihany no mibaiko amin’ny fanapahan-kevitra horaisina.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT