“Novidian’ny vondrona Tiko tamin’olona maromaro ity tany ity ary efa nivoaka ela be ny titra.
Tsy ara-dalàna ny famadihana ity tanin’ny Tiko eto Andohatapenaka ity ho tanim-panjakana”, hoy ny mpahay lalàna sady solombavambahoaka, Hanitra Razafimanantsoa. Namoaka didim-pitondrana ny minisitera tamin’ny fotoan’androny ary namadika izany tamin’ny anaran’ny fanjakana. Io didim-pitondrana io, araka izany, no nanafoanana ny titre izay nisy sy ireo taratasim-barotra nataon’ny vondrona Tiko tamin’ireo olon-tsotra. Nataon’ny fitsarana tamin’ny tetezamita ho fitaovana izy ity nentina nilazana ny filoha Ravalomanana fa nanototra tany tsy ara-dalàna ary nahavoarohirohy ny lehiben’ny Faritra Analamanga tamin’ny 2009. Nisy didim-pitsarana no nanenjehana ny filoha Ravalomanana sy ny lehiben’ny Faritra ary olona vitsivitsy tamin’izay, hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa. Resaka fanotorana tany no olana tamin’izay fa tsy fangalarana. Diso ny filazan’ny fitondrana fa tanim-panjakana ny eny Andohatapenaka. Ny fanjakana no tokony ho maodely voalohany amin’ny fanarahan-dalàna fa raha izy indray no manototototra tanin’olona tsy miera toy izao dia tsy mahagaga raha manangantsangana trano tsy maka alalana ny vahoaka. Fanajana faran’ny kely ny nangataka alalana amin’ny kaominina nefa dia tsy nataon’ny Fanjakana.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.