Ny asa fanamboaran-trano sy ny sakafo no mbola hita tena tsy manara-penitra indrindra eto amintsika.
Ho an’itsy voalohany manokana anefa dia sady miantoka ny ain’olona izy io no mitana andraikitra amin’ny resaka tontolo iainana ihany koa. Ny resaka sakafo kosa indray dia ireo sehatra miasa amin’ny fanondranana hazan-dranomasina no tena voakasika mba hahafahan’ireo firenen-dehibe mandray ny vokatra avy eto amintsika. Manoloana izany dia hiezaka ny hampianatra hatrany momba ny fanaraham-penitra ireo sehatra voakasik’izany eto amintsika ny BNM na ny Bureau des Normes de Madagascar. Fikambanana iray manampy sy manohana izy io na dia ny minisitera isan-tsokajiny aza no tena tompon’andraikitra toy ny an’ny varotra, ny fahasalamana... Tanjona ny hahafahana manampy tosika ny resaka toe-karena eto amintsika na dia vola ihany aza no lany amin’ity resaka fanaraham-penitra izay tsy hatao an-tery fa tokony hatao an-tsitrapo, hoy izy ireo. Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena momba ny fanaraham-penitra. Misy hatrany ny lohahevitra raisin’ny mpikarakara isan-taona ka tamin’ity taona 2014 ity, ohatra, dia ny hahafahana manitatra izany amin’ny raharaham-bahoaka no tena nivoitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.