Olona enina narary mafy, saika tsy avotra raha tsy naiditra hopitaly, efa nakaton’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra hani-masaka teny Ambolokandrina.
Ireo no vokatry ny «mayonnaise» efa nivadika tamin’ny “composé”, ny zoma teo. Ankoatra ireo mpandalo, enina no voan’io fanapoizinana ara-tsakafo mahery vaika io teny amin’ny manodidina ka tratran’ny aretin-kibo narahina fivalanana.
Efa nentina nitsindrona teny amin’ny mpitsabo manodidina ireo narary fa tany Befelatanana vao sitrana omaly sy afak’omaly, raha ny filazan’ny fianakavian’ny lasibatra. Nandray fepetra vokatr’izany avy hatrany ny manampahefana eo anivon’ny ministera mpiahy sy ireo mpiandraikitra eny ifotony ka nakatona avokoa ireo mpivarotra hani-masaka eny an-toerana.
Mpivarotra hôtely sy hanimasaka vitsy eto an-drenivohitra no be mpanjifa hatrany, tahaka ilay eo Ampefiloha. Andalovana sy tazan’ny mpisakafo mantsy ny lakozia fikarakarana. Mitaky fenitra ny sakafo masaka, tsy ny fitaratra misy azy ireny ihany no itarafana azy ireo fa hatramin’ny rano fanasam-dovia aman-tsotro koa aza.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.