Actualités

Fanapahana ala eto Madagasikara Arahi-maso amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia avo lenta


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Noho ny fandrosoan’ny teknolojia dia maimaimpoana ny sary azo avy amin’ny zanabolana Landsat ary maro hatrany ny karazana sy antontam-baovao izay azo ao amin’ny tranonkala.

 

 

 

Izany indrindra no anton’ny tetikasa an’i World Resources Institute (WRI) sy ny governemanta Malagasy izay manana tanjona hamadika haingana dia haingana ny vaovao ho lasa fahalalana manampy amin’ny fanapahan-kevitra. Noho izany dia novokariny ny Alerte-deforestation (Glad-Alert) ho an’i Madagasikara izay fitaovana mampiseho ao anatin’ny fotoana fohy ny toerana itrangan’ny fanapahana ala manerana ny Nosy. Tsara kokoa ity fitaovana nampahafantarana tetsy amin’ny Hotely Colbert omaly alakamisy 18 oktobra  ity mihoatra ny Alerte Feux izay efa nahazatra, satria lasa efamira 30 m no habe kely indrindra voatily; izany hoe mitombo avo 9 heny amin’ny teo aloha satria mihamadinika ny antsipiriany asehon’ny sary ka ahitana mazava sy marina kokoa ny zava-mitranga ao anaty ala ao. Ankoatr’izay dia mihamalaky ny fahazoana ny vaovao satria eo amin’ny  herinandro eo farafahelany izany ka mampihena ny fisalasalana amin’ny fandraisana andraikitra. Amin’ny alalan’io  teknolojia avo lenta sy ny zanabolana  Malagasy io no  handrefesana sy hanaraha-maso ny faritra rakotr’ala ary ny Malagasy rehetra dia afaka misitraka izany amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny tambajotra https://mdg.forest-atlas.org/map?l=fr.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT