Mbola betsaka ny lesoka amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara raha araka ny nambaran’ireo mpampianatra hiasa eo anivon’ny “Ecole Superieure de Droit et Science politique” etsy amin’ny Mausolé. Ohatra izay rehetra mahay miresaka sy mitehan-tanana eny ambony latabatra ihany mantsy, hoy izy ireo, no tena manjaka fa tsy misy intsony ny fijerena ireo tena mahay politika.
Anisan’ny nataon-dRandriamifehy Pascal talen’ny sekoly ny mikasika ireo mpanao politika roa izay samy miresaka zavatra roa samihafa any amin’ny kaominina ambanivohitra iray nefa tsy misy hain’ny mponina izay ambarany sy lazainy. Tsy fantatr’ireo mpanao politika ihany koa izay tena mahatery ny vahoaka, hany ka mandeha an-jambany fotsiny izy ireo. Antony iray hijoroan’ny sekoly ambony ESD io izay hamoaka mpianatra hahazo ny maripahaizana licence sy master amin’ny taranja droit privé sy droit public ary science politique. Tanjona ny hahafahana mamolavola tanora ho lasa mpanao politika mahafehy ny andraikitra sahaniny, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny fihazakazahana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.