Efatra amby roapolo no isan'ny zandary naiditra am-ponja vonjimaika tamin'ireo 336, hatramin'ny taona 2016. Araka ny vaovao nampitain'ny tompon’andraikitra sady manamboninahitra ambonin'ny Zandarimariam-pirenena, Général de Brigade Manase Jean Mananga,
nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety omaly tolakandro. Ho fanohizana ny ezaka amin'ny filamatra "Zandarmaria madio", voalaza teo amin'ny Toby Ratsimandrava io omaly io fa efa ampy ny fanentanana sy fanabeazana ary ny fandresen-dahatra fa hiditra amin'ny fanenjehana ireo mpitandro ny filaminana mpiandrikitra ny lalàna mpanao kolikoly amin'izay ny zandary manomboka izao. Nanentana ny mpamily ihany koa ireo tompon’andraikitra tahaka ny Kolonely Ravoavy misahana ny filaminana sy ny fanadihadiana ary tompon’antoka amin'ny sampana miady amin'ny kolikoly eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena, ny Lietna-Kolonely Ralaikoto mba hanadio ny taratasin'ny fiara ka tsy hanolotra tsolotra ho an'ireo mpitandro filaminana eny an-dalana. Ny sampandraharaha farany voalaza etsy ambony no mandray an-tanana ny fitarainana momba ny kolikoly. Araka ny lalana velona amin'ny ady amin'ny kolikoly nanomboka ny taona 2016, ny rehetra no misalahy miara-tompon’andraikitra amin'izany ka ny olom-pirenena izay mahatsikaritra Zandary mandray kolikoly ampirisihina hiantso ny laharana maimaimpoana 119 na 0341401388, 0341400685, 0341401485. Tazonina ho tsiambaratelo hatrany izany ho fiarovana ireo mpanome vaovao, araka ny fanambarana teo anatrehan'ny mpanao gazety omaly teo amin'ny Toby Andrefan'Ambohijanahary.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.