Actualités

Fanaovana kolikoly Miandry kely aloha ny fanenjehana ireo minisitra


  • Zoma 22 Novambra 2019

Noho ny tsy fisian’ny HCJ (Haute Cour de Justice) no tsy nahafahana nanohy ny famotorana ireo minisitra teo aloha tafiditra amin’ny raharaha kolikoly.

 

 

 

Dosie maro no eo am-pelatanana saingy tsy vita ny famotorana sy ny raharaham-pitsarana noho ny tsy fitsanganan’ny HCJ. Tsy mbola misy solontenan’ny antenimiera. Izay no nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Bianco Atoa Andrianirina Laza, izay nanazava fa misy rafitra iray mpanao lalàna izay voakasika dia ny antenimieram-pirenena. Tsy maintsy hampandalovina ao amin’io rafitra io ny antontan-taratasy hanaovana ny fanadihadiana rehetra rehefa voarain’ny HCJ satria any no handefasanay ny antontan-taratasy fanadihadiana an’ireo olona voakasik’izany. Ny zavatra misy, dia tsy mbola notendrena na nofidiana izay olona tokony hitsara sy handinika ny antontan-taratasy ao anatin’ny HCJ. Hisy fifandresen-dahatra amin’ny fametrahana ny lalàna satria tsy misy ambonin’ny lalàna, hoy izy. Tsy tokony ho olana satria ao anatin’ny fivoriana ara-potoana ny depiote izao. Dosie telo lehibe mahakasika minisitra telo teo aloha no nandeha tao amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) roa herinandro teo izay, dia ny minisitry ny asa vaventy teo anelanelan’ny 2013-2014 voarohirohy amina kolikoly 700 tapitrisa narotsaka tao anaty kaontin’ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra iray teo aloha mahakasika tsenan’asam-panjakana tsy misy (marché fictif) mitentina 5,9 miliara ariary; minisitry ny mponina tamin’ny taona 2018 noho ny raharaha kolikoly 1 miliara ariary. Ry Mbola Rajaonah na ireo olon’ny HVM teo aloha sasany no nidoboka am-ponja fa ny raharaha vola roa baoritra tratra ny taona 2015, ny fanodinkodinana fiara tsy mataho-dalana miisa 9 tao amin’ny minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy toa tsy misy resaka,...

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT