Actualités

Fanaovana kolikoly Lohalaharana ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana


  • Zoma 23 Oktobra 2015

Mbola lohalaharana hatrany amin’ny fanaovana kolikoly sy tsolotra ny mpitandro filaminana (zandary sy polisy) sy ny fitsarana eto Madagasikara, raha araka ny fanadihadiana farany natao.

 

Efa hatry ny ela no lohalisitra ireo sehatr’asa roa ireo izay azo hanazavana ny tsy fahatokisan’ny olona intsony ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ka lasa mampirongatra ny fitsaram-bahoaka efa ho taona vitsivitsy izao. Izay ihany koa ny antony mety tsy mahafoana mihitsy ny asan-dahalo. Misimisy ihany ny fampiofanana sy atrikasa natao, saingy ny hita aloha dia miha mahazo vahana ny kolikoly, niaiky an’io ny Bianco. Firifiry ireo olona fantatra fa manana dosie maloto, nanao tsolotra tetsy sy teroa, nanao afera maizina, nanao trafika sy nivarotra harem-pirenena, fa ambara foana hoe afaka noho ny fisalasalana na ny tsy fahampian’ny porofo rehefa tonga eny amin’ny fitsarana. Misy aza moa no tsy miakatra fitsarana mihitsy fa afaka ho azy mangingina ary dia hita miverina eny amin’ny fiarahamonina amin’ny saina tony tsara. Efa tena resabe ny kolikoly amin’ny fidirana ho mpianatra zandary na polisy eto amintsika, tahaka izany koa ny amin’ireo fampiofanana mpiasam-panjakana ambony. Ireny olona ireny anefa no ho mpitantana eto any aoriana any. Tafiditra ao anaty lisitry ny tena mpanao kolikoly koa moa ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny sehatry ny fahasalamana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT