anodidina ny 2 hetsy ireo Malagasy lasibatry ny aretin’ny voa ankehitriny, raha araka ny tarehimarika nomen’ny profesora Lova
MRandriamanantsoa, Sekretera jeneralin’ny “Société de la néphrologie”. Tokony ho 8.000 hatramin’ny 10.000 isa, araka izany ireo tonga manao “dialyse” sy grefy, saingy tsy misy afa-tsy 30 izany, ho an’itsy voalohany, raha 20 isa kosa ho an’ity farany, noho ny halafon’ny sarany. Mahatratra 3 tapitrisa Ar isam-bolana mantsy ny vola ilaina amin’ny “dialyse” raha 2 alina ka hatramin’ny 4 alina dolara kosa ny manao izany any amin’ny firenena antonony. Efa mahatratra 1 hetsy ka hatramin’ny 2 hetsy Euros kosa izany ho an’ireo firenena mandroso. Mba ho fanampiana ireo olona lasibatry ny aretin’ny voa eto amintsika ary, dia anisan’ny tetikasa imasoan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny hamolavola lalàna mifandraika amin’izany, alefa eny anivon’ny Filankevitry ny minisitra, handalo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona. Ny tanjona dia ho afaka hanao grefy voa isika, mandrapahatongan’ny faran’ny taona. Efa vonona rahateo ny trano hanaovana azy, izay fantatra fa efa neken’ireo manampahaizana manokana amin’izany. Tsy maintsy telo volana mialoha ny hanaovana ny fandidiana kosa anefa vao hafarana ny fanafody, ka ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny mponina sisa no asa maika tsy maintsy atao. Nankalazaina omaly ny andro manerantany ho an’ny voa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.