Nivoaka tamin'ny fahanginana ny COMARMA na ny Collectif des officiers de la marine marchande ahitana ireo mpikambana ao aminy toa an-dRavelonarivo Andriamparany, Razafindrafahatra...
... izay samy manampahaizana manokana momba ny resaka fitaterana an-dranomasina avokoa. Efa ela no tokony ho nametraka politika mazava mikasika ity sehatra iray ity ny fitondram-panjakana, hoy izy ireo saingy tsy mbola misy hatreto. Tsy misy fijerena mihitsy ireo sehatra rehetra mifandraika amin'izany toy ny seranan-tsambo, ny sambo, ny tantsambo nefa dia tokony hatao vaindohan-draharaha eto amin'ny firenena raha te-hampandroso marina. Nambarany fa mandany 20.000 dolara isan'andro ny fanjakana hanakaramana ireo sambo any ivelany mitatitra solika eto amintsika. Efa nahazo sambo marobe io lelavola io raha natambatra ny lany hatramin'izay, hoy hatrany izy ireo. Tsy latsa-danja amin'izany ireo mitatitra entana mivoaka sy miditra eto ary lasany avokoa ny tombony rehetra amin'izany fa tsy misy miditra aty am-paosin'ny gasy. Mikasika ny fampifandraisana ireo faritra maro eto amintsika be mpizahatany indray dia notsindrian'izy ireo fa voavahan'ny fitaterana an-dranomasina tsara ny olana sedrain'izy ireny, afaka mifanakalo vokatra ihany koa ny mponina saingy tsy tanterahin'ny fanjakana mandraka ankehitriny. Nanambara moa ny COMARMA fa manana tetikasa mazava entina hamahana ny olana izy ireo saingy raha tsy mipetraka mazava ny politika avy amin'ny fitondram-panjakana dia notsindrian'izy ireo fa tsy hisy na inona na inona hotanteraka eto. Fanirian'izy ireo ny hametrahan'ny fanjakana olona manana traikefa amin'ity sehatra iray ity fa tsy hionona amin'ny resaka diplaoma fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.