Actualités

Fanaovan-gazety Hohavaozina ny tontolon`ny asa


  • Zoma 05 Oktobra 2018

Mpanao gazety miisa 1 145 no nahazo karatra matihanina raha 1 300 tamin`ny farany teo. Haharitra efa-taona ny fotoana azo ampiasana azy io.

 

Niova endrika ny karatra maha mpanao gazety izay natao nanaraka fenitra iraisam-pirenena. Akora PVC no nanamboarana azy ary nasiana ny atao hoe “code QR” mba hamantarana ny mombamomba an`ilay mpanao gazety, araka ny fanazavana ara-teknika azo.  Mba hanavahana ny tena mpanao gazety sy ny mpisoloky no tanjona amin`ity fanavaozana ity, hoy ny holafitry ny mpanao gazety (OJM). Nivoaka ihany koa ny torolalana tsotra ho an`ny mpanao gazety mandritra ny fotoam-pifidianana. Bokikely torolalana ampiasain`ireo mpanao gazety rehetra, hoy Atoa Malik Sarr, talen`ny biraom-paritry ny OIF aty amin`ny ranomasimbe Indianina. Ity torolalana ity dia natao hiarovana ny mpanao gazety amin`ny asany ary miompana amin`ny zo sy ny andraikitry ny mpanao gazety. Navoaka omaly tamin`ny fomba ofisialy ny karatra matihanina sy ny torolalana hiatrehana fifidianana teny amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ireo karatra maha mpanao gazety ireo, izay niarahan’ny holafitry ny mpanao gazety nikarakara tamin’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT