Toy ny fanao isan-taona dia notontosaina tetsy amin’ny biraon’ny HCDDED na ny filan-kevitra ambony momban’ny fiarovana ny zom-pirenena sy ny demokrasia eto Madagasikara,
izay manana ny foibeny etsy Soanierana omaly ny fifampiarahabana noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ho an’ireo mpanao gazety eto Madagasikara. Anton’ny nandraisan’ity rafitra ity ny lanonana dia noho ny fahatsapany fa mpirahalahy mianala tsy afa-misaraka amin’izy ireo ny fanaovan-gazety eto Madagasikara. Nanamafy kosa ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Malagasy na OJM, Gerard Rakotonirina, fa fotoana izao tokony hanamafisana ny firaisankinan’ny mpanao gazety satria ny fahalemen’io sehatra iray io dia hararaotin’ny mpanao politika hanatontosana ny politika malotony raha tsy hitandremana. Fianarana isan’andro, hoy izy, ny fanaovan-gazety, ary harena ho an’ny mpanara-baovao sy ny firenena ny fahazoany vaovao marolafy izay tsy mianona amin’ny zotran-dahatsoratra tokana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.