Manana ny fandaharam-potoanany manokana entina hamalifaliana ny mpankafy ry Voahirana telo mirahavavy ahitana an’i Mamy ao amin’ny tarika MR Razafy, Aurélie ary Voahirana ny alin’ny 31 desambra ho avy izao eny amin’ny Art Tsakafo eny Ankadindravola, Ivato.
“ Réveillon des nostalgies” no anarana nampitondrainy ny hetsika hiangaliany manokana ireo karazan-kira nahafantarana azy telo mirahavavy hatramin’izay. Ankoatra ireo hira efa nampalaza azy telo mirahavavy ireto moa dia nambaran’i Voahirana fa hoventesina amin’io koa ireo hiran’ny mpanakanto vahiny toa an’i Sylvie Vartan, Mireille Mathieu … Ho avy hanampy an-dry zareo hiangaly manokana ny hiran’i Henri Ratsimbazafy mandritra izany koa i José Harison.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.