Tsy takona afenina ny antsojay mahazo ny mpanao gazety Malagasy amin’ny fanangonam-baovao mandritra ny frankofonia.
Niaraha-nahita sy naheno ny nanilihana ny mpanao gazety avy ao Antsirabe nandritra ny fanokafana ny fivoriambe andiany faha-45 ho an’ireo mpanao gazety frankofonina (UPF). Mampitaraina ny mpanao gazety Malagasy maro ihany koa ny rahom-bava sy herisetra isan-karazany ataon’ny mpiambina ny filoha, kanefa ireo vahiny avela manao izay tiany hatao. Isika samy isika indray no mifanenjika fa ny hafa havela hanao izay danin’ny kibony noho ny henamaso. Tsy tokony hisy ny fitondrana mitanila eo amin'ny mpanao gazety vahiny sy ny Malagasy mandritra ny frankofonia. Mila ampitoviana laharana ny rehetra fa tsy hisy ny fanilikilihana ny mpanao gazety Malagasy amin'ny fanangonam-baovao, hoy i Gérard Rakotonirina, Filohan'ny holafitra omaly. Efa hatramin’ny fotoanan’ny Comesa no nisy ny tsy firaharahiana ny mpanao gazety saingy tsy mbola voaarina ny lesoka aty amin’ny frankofonia.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.