Actualités

Fananganana trano eny Antehiroka Maro be no tsy ara-dalŕna


  • Alarobia 03 Mey 2017

Ny faran’ny taona 2016 no efa niroso tamin’ny fanentanana ireo mponina ao aminy Razakandrainy Bezoro, Ben’ny

 

tanànan’Antehiroka mikasika ny tokony hanatonan’izy ireo  ny kaominina, indrindra fa ireo nanangana trano na tamboho  tsy ara-dalana dia mbola ny 50 %-n’ny mponina ihany no nahefa hatreto. Ny 50 %  ambiny dia mbola miziriziry amin’ny heviny avokoa ka tsy maintsy handray fepetra ny kaominina.  Hifarana amin’ity volana mey ity ny fanentanana ny mponina, hoy ny Ben’ny tanàna. Ho an’ireo mbola minia mikipy dia hisy ny sazy hampiharina aminy. Anisany ny fampitomboana ny vola tokony haloan’izy ireo izay tsy nisy sazy hatramin’izay. Nambarany fa tsy mbola hiroso amin’ny fandrodanana aloha izy ireo fa ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay no andrasany. Mikasika ny asa fampandrosoana ny tanàna kosa dia mitohy hatrany ny asa fanadiovana faobe tanterahin’ny kaominina Antehiroka amin’izao fotoana izao ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina  amin’ireo karazan’aretina maro samihafa sy ny asan-jiolahy ateraky ny lobolobo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT