Actualités

Fananganana Tana-masoandro Mifanenjana ny samy depiote


  • Alarobia 16 Oktobra 2019

Miteraka resabe tao anaty herinandro maromaro ny fanaganana tanàna vaovao eny anivon’ny fiarahamonina. Samy maneho ny heviny ireo mpanao lalàna:

 

 

 

 Etsy an-kilany, nitondra vahaolana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa. Tokony hisy ny fifanatonana maika sy hatao laharam-pahamehana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ireo olona voakasika mivantana amin’ity tetikasa ity. Tokony samy hahazo tombony amin’ity tetikasa ity na ny fitondrana na ny vahoaka. Tsy voasakana kosa ny fitondrana fa te hanatanteraka mafy ny IEM izay nampantenainy. Ny vahaolana, hoy Christine Razanamahasoa, dia ny fifanatonana hatrany mba hifampidinika amin’ny fanetren-tena mba hiatrehana amin’ny vokatra hanaovana ireo fotodrafitrasa ireo. Etsy an-daniny, manamafy hatrany i Hanitra Razafimanantsoa, depioten’i Madagasikara fa ny tetikasa lehibe tahaka ny Tana-masoandro dia misy fepetra tokony harahina. Tsy misy fanadihadiana amin’ny fiantraikany ara-tontolo iainana (études d’ impact environnemental) mikasika ity tetikasa lehibe ity. Na orinasa aza mila an’ io fanadihadiana io dia izay vao mahazo « permis environnemental ». Nilaza izy fa amin’ilay fotoana hanaovana io dingana io no fotoana hangalana ny hevitr’ireo mponina voakasika amin’izany. Notsipihany hatrany fa tsy maintsy hanontaniana ny hevitry ny vahoaka ary tsy misy kosa tsy tia hanana ny soa hatreto saingy tsy ny fanaovana zavatra iray no hamotehana fiainan’olona. Manana lanja ara-kolotoraly ny lemak’i Betsimitatatra  sy Ambohitrimanjaka. Ilay tanimbary 1 000 Ha ve no tambiny an’ olon-kafa ? Iza no hahazo tombony amin’izany ? Nanambara hatrany izy fa samy te handroso ny rehetra fa mila mangarahara mikasika izay fanapahan-kevitra horaisina. Manao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika, ny governemanta… ity depiote ity. Misy zavatra mifanohitra ny tenin’ny filoham-pirenena na ireo teknisiana eo anivon’ny fiadiadian’ny repoblika izay manazava kanefa tsy maharesy lahatra. Misy toerana malalaka eto Antananarivo na eto Madagasikara ka tsy voatery manototra ireny tanimbary ireny, hoy hatrany ny fanazavana. Ny azo ambara dia miombon-kevitra ny roa tonta fa tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana sy ny fifampandinihana dia miaraka miroso. Iza marina moa no tsy tia fandrosoana sy fampandrosoana ? Na tsara sahala amin'inona aza ny kasaina atao ho an'ny tombontsoan'ny maro an'isa, dia herim-po very maina foana rehefa ny madinika no manoloana ny tsy mandinika.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT