Voasambotry ny Zandary ireo mpanao barazy tsy ara-dalàna mitaky vola an-keriny an'ireo mpitatitra sy mpizahatany ary ny mpiseradia mampiasa ny lalam-pirenena faha-9 mampitohy an’i Morondava-Belo sur Mer-Manja.
Hatrany amin’ny 27 ny sakana amin'ny RN9 izay andoavana 2 000 Ariary ka hatramin'ny 10 000 Ariary isaky ny fiara sy isaky ny sakana, fa raha tsy izany dia tsy sokafan’ireo andian’olona manao barazy ireo ny lalana. Dimy lahy tamin’ireo mpanaoraraotra sy mpitaky vola tsy ara-drariny no tratra ambodiomby ka nosamborina, raha toa ka tafaporitsakakosa ny naman’izy ireo. Nifanome tànana ka nahazoana izany vokatra izany moa ny Ofisin’ny fizahantany sy ny foibem-paritry ny fizahantany any Menabe ary ny Zandarimariam-pirenena taorian’ny fihaonan’ny “Organe Mixte de Conception” na ny OMC.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.