Nidina teny Andohatapenaka nijery ifotony ilay toerana nokasaina hananganana «abattoir» efa vita fototra hatrany amin’ny 80% mitentina hatrany amin’ny 20 tapitrisa dolara tokony ho nandraisana ny fihaonana tampon’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny taona 2009 ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc.
Fantatra mantsy taorian’ny dia nataony tany ivelany farany teo fa vonona ny hanampy antsika amin’ny fanatanterahana io tetikasa fanodinan-kena miaraka amin’ny fambolena sy fiompiana io ireo mpiara-miombon’antoka vahiny marobe.
Filaminana ara-tsakafo ho an’ny vahoaka
Olana goavana sedrain’ny vahoaka Malagasy ny tsy fahampiana ara-tsakafo toy ny mahazo ny olona 1 amin’ny 2 any Atsimon’ny nosy amin’izao fotoana izao. Tanjona amin’ny fanatontosana ny tetikasa tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy mpandraharaha Malagasy tohanan’ireo mpamatsy vola toy ny Sadc, ny Vondrona afrikanina, ny Vondrona eoropeanina ary ny Banky iraisampirenena ny fanohanana ara-tsakafo ny mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina izay hiitatra ho an’ny vahoaka Malagasy mialoha ny hanondranana mankany ivelany, hoy i Dada. Mpiasa hatrany amin’ny 200 no hampihodina ny orinasa fanodinan-kena miampy ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy 2.000 omby, kisoa, ondry ary osy. Afaka mikarakara kisoa 120 sy omby 40 isaky ny ora iray moa ity ozinina goavana manara-penitra eny Andohatapenaka ity. Hisy rahateo ny fanadihadiana lalim-paka hiarovana ny mponina manodidina sy ny tontolo iainana, indrindra noho ny fisian’ny hopitaly fitsaboana mifanakaiky amin’ity fotodrafitrasa hatsangana ity.
Handraisam-bahiny
Hiezaka ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny fampiantranoana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia amin’ny taona 2016, hoy i Dada Ravalomanana. Anisan’izany ny fanomezana sakafo mendrika ireo vahiny manan-kaja marobe higadona eto Madagasikara amin’ny taona ho avy. Hisantatra izany sakafo ara-pahasalamana manara-penitra izany anefa ny vahoaka Malagasy mialoha io fihaonana iraisampirenena eto amintsika io raha tsy misy indray ny sakantsakana, araka ny fanazavany. Voan-dalana hafa nentin-dRamose avy any alemaina ihany koa anefa ny fiaraha-miasa amin’ny fanamboaran-dalana, ny fifehezana ny rano ary ny fisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana.
Mitsivalana
Hamorona asa, hanome sakafo tsara kalitao ho an’ny Malagasy, hitsinjo ny ankizy mpianatra amin’ny resaka « cantine scolaire » ary hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny alalan’ny fanolorana zavatra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena noho izany ity labatoara kasaina hatsangana etsy Andohatapenaka ity. Mitsivalana sy mitsipaka izany avy hatrany anefa ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisitra Rivo Rakotovao, izay aviavy be raha nilaza omaly tolakandro fa manakorontana saim-bahoaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Efa namidin’ny fanjakana tamin’ny Seimad io tany io, hoy ity minisi-panjakana ity ary hisy ny fotodrafitrasa handraisana ny fivorian’ny frankôfônia hatsangana tsy ho ela eo. Iaraha-mahalala tsara anefa fa tsy manana vola hananganana labatoara manarapenitra tahaka ity kasain’Atoa Ravalomanana atao ity ny fanjakana. An-kilan’izay, toa ny vahiny (Sinoa) indray no nomena vahana ka manao izay tiany any atsimo any nanangana labatoara goavambe, ka aondrana any ivelany ny hena mivoaka avy ao. Fa tsy maintsy poretina sy ilam-baniny ary hanaovana antsojay foana ve izany rehefa mba misy mpandraharaha Malagasy sahy mijoro sy te hanorina zavatra tsara ho an’ny fireneny sy ny mpiray tanindrazana aminy e ?
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.