Manodidina ny 21 tapitrisa ny olona iharan’ny fanandevozana ankehitriny, araka ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa. Mbola mitohy ny ady atao amin’ny fanandevozana noho izany fa tsy nivalona ho tantara akory
Ny endrika isehoan’ny fanandevozana fotsiny no niova amin’ny ankapobeny. Tsapa ho mbola ratsy kokoa aza noho ny taloha ny fisehon’ny fanandevozana amin’izao fotoana izao. Ankehitriny mantsy dia voasarika amin’ireo tolotra sandoka izay misy eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fianarana ireo olona izay heverina fa ianjadian’ny fanandevozana kanefa avy eo dia iharan’ny fanandevozana ara-batana, ara-tsaina sy ara-bola. Ny tena loza dia olona mihoatra ny 4 tapitrisa no iharan’ny herisetra ara-nofo. Ankalazaina isan-taona isaky ny 2 desambra ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny fanandevozana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.