Toy ny fanaony isan-taona dia nanolotra lelavola mitentina 1.820.680 Ar ho an’ny fikambanana Vokovokomena ny Orinasa Savonnerie tropicale etsy Ankorondrano,
vola azon’ny orinasa tamin’ny fandafosany ny savony Nosy citronelle, izay tsiahivina fa hakany 10 Ar isaky ny bara iray lafony. Omaly no nanolorany ny taratasim-bola tamim-pomba ofisialy notarihin’ny lehiben’ny orinasa Thierry Ramaroson mivady. Fantatra tamin’izany fa efa ho enin-taona izao no nanaovan’ity orinasa iray ity fanohanana ny fikambanana Vokovokomena tahaka izao noho ity farany miezaka mamerina ny hasina sy ny zo maha-olona ankoatra ny fanamaivanana ny fanaintainan’ny mpiara-belona. Hatramin’izay dia efa mitentina 20 tapitrisa Ar mahery ny vola nomen’izy ireo ny fikambanana ho fanasoavana ny mpiara-belona. Entina hanampiana ireo traboina ity vola natolotra ny fikambanana Vokovokomena omaly ity raha ny fanazavan’ny lehibeny. Ankoatra izay dia hisy ampahany hampiasain’izy ireo amin’ny ady hatao amin’ny pesta ihany koa, tetikasa vaovao hotanterahin’ny fikambanana manomboka amin’ity taona 2015 ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.