Actualités

Fanampiana ny traboina Atao fitaovana politika indray ?


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Mahagaga sy mahatalanjona ny fihetsiky ny fanjakana Malagasy amin’izao fiatrehana ny voina, ka hisian’ny fanampiana ho an’ireo Malagasy traboina izao. Misy ny lamina amin’ny fizarana ireny fanomezana sy fanampiana na ara-bola na ara-pitaovana ireny, saingy misy tsy mazava.

Ny zava-misy dia ny fanjakana ihany no tsy maintsy mizara ny fanampiana taorian’ny rivodoza “Enawo”. Tsy dia misy mahazo mandeha mijery ny any am-potony fa eto ihany no omena ny fanomezana, ka izay no voalaza fa antony iray tsy nahatongavan’ireo mpamonjy voina sady mpitondra fanampiana avy atsy amin’ny Nosy rahavavy La Réunion ny herinandro lasa teo. Re mantsy fa nikasa ny hidina mivantana tany ifotony, tany avaratry ny nosy izy ireo, saingy voalaza fa ny mpitondra teto amintsika mihitsy no nanome baiko fa eto afovoan-tany no tsy maintsy hanaovan’izy ireo ny asa. Raha ny loharanom-baovao iray aza dia heno fa ny fanampiana fotsiny no nasain’ny mpitondra teto nalefa raha misy, ka izy ireo indray no nilaza ho mahafehy ny zava-drehetra, ka dia naleon’ireo te hanampy niverin-dalana sy tsy nandefa ny fanampiana saika hataony. Efa tena an-tenda ny fijaliana sy ny fahorian’ny Malagasy, saingy toa lalaovina sy atao fitaovana ny zava-misy. Volabe no azo mba hitsinjovana ireo traboina, raha tsy hilaza afa tsy ny 8,3 tapitrisa dolara avy amin’ny Firenena Mikambana, 1 hetsy dolara avy amin’ny Amerikanina. Manjavozavo amin’ny rehetra ny zava-misy hoe tena tonga any amin’izay tokony hahazo azy tokoa ve ny fanampiana ? Mandeha mantsy ny resaka fa efa misy mikononkonona hanodinkodina sahady ny vola sy ny fanampiana voaangona izay tsy fantatra mazava hoe hatao kopaka isasahana sa hatokana ho amin’ny propagandy atsy ho atsy ? Mahamenatra raha izany no tanjona amin’izao fifehezana ny resaka fanampiana ireo traboina izao. Ny ahiahy tsy hihavanana, hoy ny fitenenana, ka tokony hanao tatitra mikasika ny fizarana ireny fanampiana ireny ny mpitondra fanjakana, fa tsy hanararao-paty, ka ny fahoriam-bahoaka no hatao tohatra fiakarana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT