Mitohy isan’andro ny fijerena sy fanampian’ireo malala-tanana ny traboina vokatry ny fiakaran’ny rano eto an-drenivohitra. Omaly dia ny iraky ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy
Rajaonarimampianina notarihan-dRtoa isany Randrianiainasoa Claudia sy Rakotoarimanana Njara indray no nandalo nitondra ny tsirambin’ny tanana ho an’ireo mitoby ao amin’ny Epp eny amin’ity fokontany ity. Marihina fa mahatratra 420 ireo olona mitoby ao ankehitriny ka lambalamba toy ny drap isan-karazany no mba fizarazarana efitra ho azy ireo amin’izany. Anisan’ny nisitraka ny fanomezana koa dia vary 20 gony sy siramamy ary labozia niaraka tamin’izy ireo ireo sahirana niisa 150 avy avy amin’ny Boriborintany faha-2 sy faha-5 ary koa olona sahirana hafa avy amin’ny Boriborintany faha-3 toy ilay ramatoa may trano tao Ankorondrano namoy ny zanany roa vavy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.