Actualités

Fanampiana ireo traboina isan-taona Mila vahaolana maharitra, hoy ny Unmdh


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Mamela takaitra foana ireo rivodoza mandalo isan-taona eto amin’ny firenena Malagasy efa an-taonany maro izao. Mitondra faisana hatrany ireo faritra sy tanàna betsaka eto Madagasikara vokatry ny fiakaran’ny rano toy ny nahazo an’i Manakara ankehitriny

 

. Toa mionona fotsiny amin’ny fanampiana ireo traboina anefa isika aorian’ny loza na voina mihatra eo anivon’ny fiarahamonina isan-taona fa tsy mihevitra velively vahaolana maharitra ho fisorohana mialoha ireo trangan-javatra mampalahelo. Fotoana tokony handinihana paikady mazava izao vanim-potoana izao hisorohana ny fiverimberenan’ny antso fiaraha-mientana ho tolo-tanana ho an’ireo niharam-boina, hoy ny filohan’ny «Union nationale Malagasy des droits humains» Rafolisisoa Hanitriniala. Azo atao tsara, ohatra, ny mandrafitra paikady maharitra tahaka ny fandaharanasa fanadiovana ireo lakandrano tsentsina isan-taona. Nitondra ny tolo-tanana voin-kava-mahatratra mitentina 2 hetsy ariary teny Ampefiloha ny sabotsy teo moa ny Unmdh ankoatra ny asa efa mahazatra fanaon’ny fikambanana dia ny mitondra mitondra fanampiana mivantana ho an’ireo mila izany manerana ny nosy.

Ramano F.

Sary fampihaingoana : Rafolisisoa Hanitriniala teny Ampefiloha

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT