Actualités

Fanampiana ireo ben’ny tanŕna Hamatsy vola 5 miliara Ariary ny minisiteran’ny asa vaventy


  • Alatsinainy 01 Desambra 2014

“Anisan’ny antoka iray hanamorana ny famahana ny olana ara-dalŕna amin’ireo kaominina eto amintsika, ny fanampiana azy ireny amin’ny fanatsarana ny lalantany mihazo azy ireny avy, mba ialana amin’ny fitokana-monina.

Iaraha-mahalala ihany ny tsy fahampiam-bola sy tsy fisiam-bola amin’ireo kaominina ireo”, izay no nambaran’ny minisitry ny asa vaventy Atoa Roland Ratsiraka, raha nihaona tamin’ireo ben’ny tanàna teny amin’ny CCI Ivato ny tenany sy ny ekipany. Araka ny fanazavana nataon’ingahy minisitra dia hisy vola mitentina dimy arivo tapitrisa ariary hatokan’ny minisiteran’ny asa vaventy amin’ny taona 2015, ho entin’ireo ben’ny tanàna manana tetikasa amin’ny fanamboaran-dalana tsotra, atao “paves” na atao lalam-bato na atao lalan-tany, any aminy hialana amin’ny fitokana-monina ireo vahoaka. Raha ny fanazavana dia iarahan’ny minisitera sy ny mpamatsy vola ny fanomanana izany vola izany. An-kilan’izay, dia fantatra nandritra ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Roland Ratsiraka fa efa vonona ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana aty Afrika (BADEA) hamatsy tanteraka ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-05 (R05) Soanierana Ivongo – Maroatsetra. Hanomboka ny volana febroary 2015 ny fanadihadiana izay ho vitaina alohan’ny volana jolay 2015 ary heverina hanomboka ny faraparan’ny taona ho avy io ny fanombohan’ny fanamboarana. Ankoatra izay, dia efa tena ao anatin’ny fanovana entiny hanatsarana ny seranan-tsambo ireo mpitantana sy ireo tompon’andraikitra ao aminy ary ny JICA izay mpiara-miombona antoka aminy. Efa vita ny fanadihadiana mikasika ny Mole A mirefy 12m sy toerana malalaka 18.200m², ka hanomboka ny taona 2015 ny asa ka heverina hovitaina ny taona 2017 entina handraisana ireo sambo mpizahatany. Ny Mole B, Mole C, ny toerana malalaka fitobiana kaontenera mirefy 26ha sy ny toerana malalaka vaovao eny afovoan-dranomasia mirefy 26ha, ary ny “terminal petrolier et mineralier” vaovao, dia hanomboka ny 2015 ny fanadihadiana rehetra ka miankina amin’izay ny fanombohan’ny asa amin’ny fanaovan-tsonia ny fifanampiana ara-bola eo amin’ny JICA sy ny SPAT.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT