Actualités

Fanampiana ho an’ny mpitatitra Betsaka ireo tsy mbola nahazo


  • Alatsinainy 19 Desambra 2016

Mitaraina noho ny fitarazoan’ny fanampiana omen’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety amin’ny alalan’ny minisitera miadidy azy ny ankamaroan’ireo kaoperativa eto an-drenivohitra.

Araka ny fitarainana voaray dia vao ny fanampiana taona 2015 ankehitriny no mandeha ka tsy mahatratra ny antsasak’ireo mpikambana ao anatin’ny kaoperativa iray akory no efa nahazo izany ho an’ireo kaoperativa sasany. Ankehitriny anefa, efa hifarana tsy ho ela indray ny taona 2016,  ny  vidin-tsolika anefa tsy mitsaha-miakatra koa manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra izy ireo mba hijery akaiky izany. Rehefa nanontaniana ny mikasika ny fitarazohan’ny fanampiana ny teo anivon’ny vondron’ny mpitatitra an-tanàn-dehibe dia nambaran’izy ireo fa noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny antontan-taratasin’ireo kaoperativa eo anivon’ny tompon’andraikitra no mahatonga izany. Tsy kaoperativa iray ihany moa no  misedra ny olana fa saika ny rehetra mihitsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT