Nanapa-kevitra ny hampiditra fanampiana milanja 100 taonina (tente, kits Station eau potable, kits fahandroana sakafo, akanjo, sakafo, vovo-dronono, fanafody,... )
amin’ny fiaramanidina goavana Boeing 747 avy any Dubaï mitondra ohatra ny natao tamin'ny 2013 ny Fikambanana Ny Fanahy Maha olona tarihin’i Ny Rado Rafalimanana, araka ny fanambarany tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antananinarenina omaly. Miara-miasa amin’ny Ny Fanahy Maha-Olona ny WFDP (World Fund Development and Planning) izay rantsana ao anatin’ny Firenena Mikambana, ka i Ny Rado Rafalimanana no ambasadaoron’io eto Madagasikara. Fanampiana vonjy aina ity ka miandry ny fankatoavan'ny fanjakana hahafahan’ny fiaramanidina miditra eto Madagasikara, hoy izy. Tany Singapour izy ireo no nanapa-kevitra sy nampahafantatra ny hetsika hatao ny 24 janoary saingy nivoaka ny fanambaran’ny fanjakana fa tsy azo atao ny hetsika fanangonana fanampiana. Tsy tokony hanao an’izao ny fanjakana fa ny manara-maso no tokony hataony, hoy ny Rado Rafalimanana. Notsoriny fa tsy mahatoky ny Biraom-pirenena miantsoroka ny loza sy ny tandindonin-doza (BNGRC) izy ireo satria efa nisy fotoana nomena ny BNGRC ny fanampiana satria noraran’ny fanjakana ny fizarana mivantana, kanefa dia navela simba tao amin'ny seranan-tsambo kanefa ana miliara. Avelao hiditra ny fiaramanidina, aza asiana haba, aleo hozarain'ny skoto sy ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo ary tsindriana fa tsy misy politika ity. Avelao halalaka ny Malagasy hanampy ny mpiray tanindrazana aminy, hoy ny Rado Rafalimanana. Nilaza ny hamondrona ireo tanora injeniera, hiara-kitety an’i Madagasikara hijery ifotony ny fanampiana sy fanarenana azo atao ny tenany.
25 tapitrisa dolara no natokan'ny WFDP hotantaniko hanampiana ny tanora. Tsy raisin'ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny anefa izahay hanome fankatoavana amin’ny fanjakana, ka miangavy mba tsy hatao an’izany satria izahay rahateo tsy misalovana ny asan’ny fanjakana, fa mitondra kosa ny anjara biriky, hoy hatrany ny fanazavany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.