Actualités

Fanampiana an’i Rodriguez kely 4.982.900 Ar no vola nomen’ireo malalatanana


  • Alarobia 24 Septambra 2014

Nanao hetsika fitadiavam-bola entina hanampiana ilay zazalahy manana olana noho ny zavatra maniry eo amin’ny lohany avy any Fenoarivo atsinanana antsoina hoe Rodriguez, ny fikambanana tanora natambatry ny tranonkalan-tserasera « facebook » antsoina « Ino Maresaka Tamatave ».

Nisy ny « téléthon » nataon’ireto tanora ireo teo anoloan’ny tranombarotra Score Bazary be nentina hanangonam-bola hitsaboana sy handidiana ity zazalahy kely ity ny sabotsy lasa teo. Anisan’ny namaly ny antson’ireto tanoran’ny IMT ireto Atoa Roland Ratsiraka minisitry ny asa vaventy, tamin’ny fanomezana lelavola 300.000 Ar entina hitsaboana ity zazalahy ity izay voatery nampidirina hopitaly be vokatry ny tsy fahasalamana aterak’ity zavatra maniry amin’ny lohany ity izay lasa niteraka nana ankehitriny. Tsy nitazam-potsiny izao hetsiky ny tanoran’ny IMT izao koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Atoa Rabary Paul, ka nisy ny fanampiana ara-bola natolony ihany koa entina hitsaboana sy handidiana an’i Rodriguez kely amin’izao aretina mahazo azy izao, ka lelavola 500.000 Ar no natolotry ny minisitra tamin’izany. Raha atambatra izany ny lelavola voaangona avy amin’ireo tsara sitrapo entina hanampiana ny ray aman-drenin’i Rodriguez dia mitentina 4.982.900 Ar izany, izay hitondran’ireto tanora ireto fisaorana ho an’ireo malala-tanana rehetra nanampy azy ireo ho fanampiana ity zazalahy manana olana amin’ny lohany ity. Tsy mitsahatra hatreo anefa ny fandraisana fanampiana fa mitohy hatrany, satria raha vao tomombana avokoa ny toe-pahasalaman’ity zazalahy ity, dia hisy ny fitondrana azy eto Antananarivo hiatrika ny fandidiana azy, eo anivon’ireo manampahaizana manokana momba ny ati-doha sy ny loha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT