Actualités

Fanampiana an’i Befandriana Tonga nisolotena an’i Mahajanga ny depiote Nina


  • Alatsinainy 06 Martsa 2017

Azo lazaina ho fahombiazana tamin’ny ankapobeny ilay hetsika nokarakaraina tetsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina nentina nanampiana ireo fianakaviana 470 tafo may trano tany amin’ny tanŕnan’Antsakabary, distrikan’i Befandriana Avaratra

. Saika tonga nanohana ny antso nanome izay voatsirambin’ny tanany avokoa ny mpanao politika, ny olon-tsotra, ny fikambanana … anisan’ireny ny solombavambahoaka Rahantanirina Lalao, voafidy tany Mahajanga, na i Nina. Amin’ny maha Malagasy azy, araka ny fanazavany no antony nandraisany anjara amin’izao hetsika izao sady misolotena ireo vahoakan’i Mahajanga ihany koa. Vola mitentina 2 hetsy Ar no natolony niampy kojakoja maro isan-karazany toy ny akanjo, lamba firakotra. Araka ny vaovao azo dia tsy niandry ela fa nanomboka omaly ihany dia nalefa ho an’ireo vahoaka traboina any Befandriana ireo fanampiana, niampy ireo avy amin’ny fanjakana izay efa tonga tany an-toerana nanomboka ny sabotsy teo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT