Ho fitsinjovana ireo vahoaka madinika izay mipetraka eny amin’ireo faritra iva eto an-dRenivohitra dia tonga nanamafy ny asa fanadiovana ireo lakan-drano, izay tsentsin’ny fako sy fotaka,
ireo rantsamangaika maro avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra omaly zoma 23 novambra 2018, ho fisorohana ny fiakaran’ny rano. Teny Ambodin’Isotry sy teny Antetezana Afovoany II, no nanatanterahana ny asa. Tsy mijanona hatreo izany asa goavana izany fa mbola hitohy eny amin’ireo faritra hafa. Nanadio làlana sy nanisaka ireo mpivarotra ihany koa izy ireo mba tsy hanelingelina ireo mpandeha an-tongotra sy ireo fiara mifamezivezy. Fanamby goavana no hotanterahin’ny CUA satria anio sabotsy izao no heverina fa fotoana hahavitan’ny asa fanalana ny fako miavosa rehetra eto an-dRenivohitra. Hentitra amin’izany tokoa ny Ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana. Nofaritana izany taorian’ny fidinana izay nataony tamin’ny toerana maromaro teto an-dRenivohitra, teny Antohomadinika Antaniavo (akaikin’ny tsenan’ny atody), Alarobia Amboniloha (cité ASECNA), Route du Pape Alarobia (face SANIFER) ary Anosivavaka Ambohimanarina. Nandritra ny resaka nifanaovan-dRamatoa Ben’ny tanàna tamin’ny mpanao Gazety no nanaovany antso avo tamin’ny SAMVA ny amin’ny tokony handraisan’izy ireo ny andraikiny. Nohamafisina tamin’izany fa tsy mendrika ny vahoakan’Antananarivo ny fako be miavosa eran’ny tanàna. Noho izany dia hotohizana ny tolo-tanana izay efa natomboky ny CUA tamin’ny SAMVA. Izany dia miompana amin’ny fanomezana fiara lehibe am-polony mpitatitra fako. Nanambara ny fiadidian’ny tanàna fa efa am-perinasa ireto fiara lehibe mpitatitra fako ireto ankehitriny, izay mahatratra hatramin’ny 25m3 ny hadiriny. Izao rehetra izao dia ho fitsinjovana ny vahoaka amin’ny voka-dratsin’ny loto sady efa fiomanana sahady amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra, izay fiakaran’ny rano sy ny fipariahan’ny valan’aretina maro samihafa. Manentana hatrany ny rehetra ny fiadidian’ny tanàna ny amin’ ny : hanajana ny ora fanariana fako eny amin’ireny BAKA ireny (amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina); hanajana ny toerana natokana hanariana fako (BAKA); hanadiovana ny toerana rehetra; tsy hanariana fako anaty tatatra na lakandrano.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.