Noraisin'ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Asa tanana, Brigitte Rasamoelina teny amin'ny trano fiasany teny Anosy omaly maraina ny masoivohon'i Japon monina sy miasa eto amintsika, Ryuhei Hosoya.
Voaresaky ny roa tonta tamin'izany ny fanamafisana, fanohizana ary ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Japon. Natsidiky ny ambasadaoron'i Japon ny fanasany ny filoham-pirenena hitsidika any Japon. Ao anatin'izay fiaraha-miasa izay ihany, eo amin'ny sehatry ny vakoka dia hanampy an'i Madagasikara amin'ny fanamboarana ny Rovan'i Manjakamiadana i Japon. «Hisy ny atrikasa karakarain'ny masoivoho japoney amin'ny famerenana na restauration ireo fanaka tao anaty rova», araka ny fanazavan'ny Minisitra, Brigitte Rasamoelina. Mitentina 600.000 Dolara io tetikasa io. Tsara moa ny manamarika fa anisan’ny manohana ny fahatongavan'ilay mpanakanto Frantsay, Nana Mouskouri eto Madagasikara ihany koa ny Masoivohon'i Japon. Hisy ny seho hataony ho fitadiavam-bola eny amin'ny CCI Ivato ny 28 febroary izao. «Omena ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny reny sy ny zaza (Unicef) ny vola rehetra azo amin'ny fampisehoana», araka ny fanamarihan'ny Minisitra ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.