Nisy fotoam-pivavahana niombonan’ireo lohandohan’ny mpisorona eto amin’ny firenena notarihin’i Andry Rajoelina teny Anatirova omaly alahady 27 janoary.
Saika tonga nanatrika io fotoana io avokoa ny mpikambana ao anatin’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian sy ireo tandapa ao anatin’ny fiadidian’ny Repoblika. “Zava-dehibe loatra ny hanankinana amin'Andriamanitra ny fiainam-pirenena. Ny zavatra rehetra dia hankinintsika amin'ny Finoana..., Sambatra isika manana an'i Jesoa Kristy amin'izany”, hoy ny tenin’ity filoha ity. Tamin’ny 19 janoary anefa, raha nianiana ny filoha dia nailika an-tsisin-tosy ny resa-pinoana sy fivavahana ary tsy nisy baiboly toy ny mahazatra. Omaly ihany koa no nilazan’i Andry Rajoelina fa atao izay hahavitana ny Rova, mialoha ny fetim-pirenena amin’ny taona 2020 ary hezahina atao ny hamerenana ireo vakoka nampalaza azy. Tsara ny mampahatsiahy fa i Marc Ravalomanana no nanarina sy nampijoro ny Rovan’i Manjakamiadana amin’io endriny amin’izao io, taorian’ny fahamaizany ny 6 novambra 1996. Naongana anefa ny fanjakana Ravalomanana tamin’ny taona 2009, ka niato teo antenantenany ny fanamboarana fa tsy vita hatramin’ny farany. Efa ela izany ity vako-pirenena ity no tokony hiarina raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana natao teto, ka hanohy ny sisa tsy vita i Andry Rajoelina izay azo sokajiana ho sakana tamin’ny tsy fahavitany tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Ampahatsiahivina fa tamin’ny fitondrana tetezamita no tsy hita popoka tao amin’ny tranombakoka ao amin’ny Lapan’ny praiminisitra tao Andafiavaratra ny Satroboninahitry ny mpanjakavavy Ranavalona ny alin’ny 3 desambra 2011, izay anisan’ny vakoka lehibe. Nalaza ny faramparan’ny taona 2018 fa any Lafrantsa izy io, ka efa niantso vonjy tamin’ny UNESCO sy ny polisy iraisam-pirenena (Interpol) ny minisiteran’ny Kolontsaina Malagasy notarihin’ny minisitra Johasy Eleonore tamin’izany, saingy tsy nisy vokany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.