Tamin’ny alalan’ny moto no nijeren’ny minisitry ny asa vaventy, Roland Ratsiraka, ny fahasimban’ny lalampirenena faha-5,
izay hasiam-panarenana ny hatrao Fenoarivo Atsinanana noho ny fahasimbany, sy ho fanamboarana an’i Soanierana Ivongo hatrao Vahibe, amin’ity faran’ny taona 2016 ity. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ary haharitra efa-bolana ny fanarenana ny fahasimban’ny lalana miainga ao Ambalamanasy hatrany Mahavelona Foulpointe ho an’ny dingana voalohany, aorian’izay ny fanarenana hatrany Fenoarivo Atsinanana, ary dingana fahatelo ny hatrao Soanierana Ivongo. Ny ho fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 miainga ao Soanierana Ivongo hatrao Vahibe kosa araka ny vola efa misy eo am-pelatanan’ny fanjakana tantanan’ny minisiteran’ny asa vaventy, mahatratra 60 tapitrisa dolara amin’ny 80 tapitrisa dolara karohina izay efa nolanian’ireo solombavambahoaka. Hatao amin’ity taona ity ny tolo-bidy iraisam-pirenena mahakasika izany ary hatomboka amin’ity taona ity ihany ny fanamboarana izany, izay hiova lalana fa tsy handalo ao Andrangazaha sy Fandrarazana lalana taloha, fa hifandray amin’ny Manompana kosa ary hihazo ny lalana teo aloha ihany avy eo hatrao Vahibe. Tsy mbola tafiditra amin’izao vola azo izao kosa noho ny halavan’ny tetezana hamboarina eo amboniny ny ranon’i Anove sy Manambato, izay mbola hitadiavana famatsiam-bola hafa, hoy ny minisitry ny asa vaventy. Ny banky arabo ho an’ny fampandrosoana, ny banky koesiana momba ny fampandrosoana, ny fikambanam-ben’ny firenena arabo ary ny OFID, no hamatsy ny vola amin’izao fanamboarana ny lalana sy ny tetezana 3 amin’ny RN05 Soanierana Ivongo Vahibe hatao izao. Ireo baka tsy andalovan’ny lalana kosa dia hafindra hanamafy ny ao Anove sy Manambato hanafainganana ny fiampitana aminy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.