Nalaza omaly ny resaka fa niala sy nanatsahatra ny asa fanamboarana ny lalàm-pirenena faha-44 ny orinasa nahazo ny tsenan’asa, ary efa notaomina niala tany avokoa ny fitaovana na ireo “engins” hampiasain’ilay orinasa sinoa nahazo ny tsenan’asa.
Nisy tokoa ny sary naneho izany niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, toa eny amin’ny làlam-pirenena faharoa ny fahitana azy. Tsy mbola nisy rahateo ny fanazavana mafonja avy amin’ny mpitondra fanjakana nanamarina na nandiso io vaovao io, fa raha ny fanadihadiana dia toa niato na tapaka ny famatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ny tetikasa. Raha ny nambaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny filoha izay tonga tany Ambatondrazaka tamin’ny herinandro ambony mantsy dia nilaza fa ny fanjakana no mamatsy vola ny tetikasa, ary ny RN 44 manontolo hatrany miala aty Moramanga hatrany Ambatondrazaka no hatao. Ny dosia momba ny tsenan’asam-panjakana hita kosa dia manomboka eo Marovoay hatreo Amboasary ihany no hatao amin’ny alalan’ny fandrakofana tara na “butumage”, ka ny orinasa sinoa China Geo-Engineering Corporation (CGC) no nahazo ny tsenan’asam-panjakana amin’ny sarany 65 298 406 093,95 Ariary no saran’izany. Ny Banky iraisam-pirenena no mamatsy vola ny asa, fa tsy ny fanjakana raha ny voarakitra ao anatin’ny tsenan’asa, ka ao anatin’ny 18 ny fanatanterahana ny asa any amin’ny RN44. Io malaza ho tapaka io anefa ny fifanarahana noho ny tsy fananan’ny fanjakana fahitsiana, ka andrasana ny fanazavana momba io toe-javatra io hoe tena mitombina sa tsia? Vao tsy ela izay no naharay taratasy avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny minisitry ny fanajariana ny tany noho ny fanovan’izy ireo ny anarana sy ny sata mifehy ny FER Fonds d’Entretien Routier lasa “Fonds Routier” ary ny « Autorité Routière de Madagascar », lasa « Agence Routière de Madagascar », kanefa mbola ao anatin’ny tetikasa mandeha. Hafahafa ny toe-draharaha ka andrasana ny fanazavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.