Somary nisahotaka kely ireo mpiasan’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo.Ny antony dia nisy fiaramanidina nigadona, ary nisy teratany Sinoa miisa 15
anisan’ny mpandeha tao anatin’io no niditra avy hatrany.Efa nanambara ny teo ireo tompon’andraikitra teny an-toerana, araka ny loharanom-baovao iray fa tsy mahazo miditra eto Madagasikara ireto Sinoa ireto izay voaporofo mazava fa tena avy any Chine.Nandeha moa araka ny tati-baovao voaray ny antso an-telefaonina ary dia nisy tompon’andraikitra hafa tonga avy any ary nilaza fa vahinin’ny PRM (filoham-pirenena) ireto Sinoa ireto ary teknisianina hiasa amin’ny fanamboarana ny kianjaben’i Mahamasina.Tsy nisy nanohitra intsony moa ireo mpiasa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato vao nahare izay teny izay koa dia afaka niditra soamantsara ireo Sinoa araka ny fampitam-baovao ihany.Samy raiki-tahotra ny rehetra teny an-toerana satria iaraha-mahalala ilay valan’aretina Coronavirus izay tany Chine no niandohany ary any no misy ny marary sy ny maty betsaka indrindra.Samy velom-panontaniana ny teny an-toerana io omaly io : ahoana marina ny momba ireto Sinoa 15 ireto ? Voaporofo ve fa salama tsara ry zareo ? Ahoana izy ireo rehefa tafavoaka ny seranam-piaramanidina ka hifanerasera aman’olona maro ?Andrasana izay faampitam-baovao ofisialy momba ity tranga teny Ivato omaly ity..ary inoana fa hanome vaovao matotra ny fanjakana fa tsy ny sanatria hanaboribory resaka indray hoe tsaho izany.Maro be ny vavolombelona teny Ivato nahita ity tanga ity mantsy omaly.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.