Hentitra ny Vondrona Eoropeanina nandefa taratasy ofisialy niantefa tamin’ny fanjakana tamin’ny Alalan’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Atoa Hajo Andrianainarivelo.
Nijery akaiky ny fanovan’ny fanjakana ny FER Fonds d’Entretien Routier ho “Fonds Routier” ary ny « Autorité Routière de Madagascar », lasa « Agence Routier de Madagascar ». Nandefasana dika mitovy ny Minisitry ny toekarena, AFD, Banky Iraisam-pirenena, BAD. Araka ny efa fantatrao, ny Vondrona Eoropeanina dia manampy an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasa maro, toy ny « Rocade d’Antananarivo », izay misy fidirana an-tsehatry ny Banky Eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) sy ny AFD. Isan’izany ny fampanaraham-penitra natomboky ny BEI ho an’ny RN13 sy RN6; ny tandavan-dàlana iarahana amin’ny BAD ho an’ny RN9 sy RNT12…, hoy ny Vondrona Eoropeanina. Mitana anjara toerana goavana ny ARM ao anatin’ny fanatanterahana ireo tetikasa, ary misintona ny sainao hitodika amin’ny fiantraikany ateraky ny fanovana sy ny fikitikitihina nateraky ny fanovana ara-panjakana sy araka ny lalàna, ao anatin’ny fotoana andehanan’ny tetikasa goavana, hoy ny ambangovangon’ny taratasy. Ny fikitihana sy fanovana ny sata dia midika sy mitarika amin’ny fanovana sy fanavaozana tanteraka ny fifaranahana. Noho io fanovàna an-tsitra-po ny anaran’ny FER sy ARM io dia foana sy tsy manan-kery toy ny tsy misy intsony ireo fifandraharahana sy fifanarahana goavana izay efa natao sy efa vitan'ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina tamin'ny mpamatsy vola sy mpampiasa vola vahiny talohan'ny nametrahany fialàna, raha halalinina ny raharaha. Tsy maintsy havaozina avokoa ny taratasy fifanarahana ara-panjakana rehetra, izany hoe naman’ny haverina hatramin’ny voalohany indray ny fitadiavana mpamatsy vola sy ny fifanarahana manontolo, rehefa tena dinihina. Tena nibedy sy nampiaka-peo ny mpampindram-bola mahazatra, ary tsapa ho tsy manana fahatokisana ny mpitondra ankehitriny. Noho ny tsy fananana fanetren-tena sy fahitsiana na « honnêteté » eo anatrehan’ny fitohizan’ny fitantanan-draharam-panjakana lazaina fa veliranon’ny Filoha ankehitriny no nitarika an’izao, raha halalinina. Na naneho ny fahavononany hatrany aza ny Vondrona Eoropeanina, dia nanaitra ny voalaza tany am-piafaran’ny taratasiny, fa io olana hita amin’io tetikasa sy programa niarahana taminy io, dia mety ho voavahan’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika hafa. Ny vahoaka no tena voa amin’ny tahaka izao. Raha miverina amin’ny tantara isika, dia ny oktobra 2002 i Marc Ravalomanana no nitondra ary taty amin’ny volana mey 2008, vao nahazo taratasy “rappel à l’ordre” tahaka izao, raha toa 9 volana monja ny fanjakana Rajoelina dia efa izao sahady.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.