Nandritra ny famaranana ny kongresy momba ny lalana teny amin’ny CCI Ivato no nilazan’ny solontenan’ny vondrona eoropeanina miasa sy monina eto Madagasikara, fa efa vonona ny vola 1700 miliara ariary (518 tapitrisa Euro) tafiditra amin’ny FED faha-11 entina hanarenana ny lalana eto amintsika manomboka ny taona 2015 hatramin’ny taona 2020. Misy anefa ny fepetra napetrakizy ireo ao anatin’ny fanomezana izany, dia ny fanomanan’ny Malagasy tahitrin-kevitra izay tokony ho vita alohan’ny telo volana voalohany ny taona 2015 sy ny
fanjakana tsara tantana ao anatin’ny fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona. Eo koa anefa ny resaka teknika samy hafa ka anisan’izany ny fanajana ny lanjan’ny entana entina eo ambonin’ireo lalana efa misy izay efa nanomezany fitaovana manokana filanjana izany mba hampaharitra ny efa vita, ny fanatsarana ny fahaiza-manao ho an’ireo teknisianina eo anivon’ny FER hikojakoja ny lalana. Tafiditra ao anatin’ity famatsiam-bola mila fepetra avy amin’ny vondrona eoropeanina tafiditra amin’ny FED faha-11 ity, ny fanamboarana ny lalan-dehibe miainga eo Soavimasoandro mihazo an’Ivato sy ny tetikasa lalana mihantona “Fly Over” amin’ny lalana Tanjombato – Soanierana, izay nambaran’ny minisitry ny asa vaventy fa ezahina hovitaina alohan’ny fetim-pirenena ny taona ho avy. An-kilan’izay, dia namoaka ny heviny koa ny fikambanan’ireo orinasa madinika sy salantsalany amin’ny tsy fahazoana tsena momba ny fanamboaran-dalana, nomarihan’ny filohan’izy ireo fa manana mpikambana 400 ny fikambanan’izy ireo izao ary mikirakira vola mahatratra 40 miliara ariary izy ireo, izay afaka manome asa tanora tsy latsaky ny 1.000 isaky ny mahazo asa, nefa tsy misy mpijery araka ny fitarainan’izy ireo. Nokianin’ity fikambanan’ny PME – PMI ity koa ny fomba fanao amin’ny asa tanamaro, izay fandaniam-bola sy vola ariana anaty fotaka fotsiny, satria lalana tsy haharitra akory ary mahatonga ny vahoaka ifotony any ambanivohitra tsy miraika amin’ny fambolena intsony, fa miandry vola haingan’ny HIMO fotsiny, ka manimba ny fambolena sy ny fiompiana eto amintsika. Ankoatra izay, dia fantatra nandritra ny lanonam-pamaranana ny kongresy, fa 3.500 ireo mpizaika tonga, 20.000m² ny toerana nisy ny trano heva, tanora 1.000 nampiasaina ary 10.000 lovia ny sakafo nozaraina, ary nahatratra manodidina ny 1 miliara ariary ny vola nokirakiraina tamin’izany, ankoatra ireo tambin-karama sy saran-dalan’ny mpizaika avy amin’ny faritra sy distrika ary kaominina izay ny minisiteran’ny asa vaventy avokoa no niantoka sy nisahana ny fandaniana rehetra, niaraka tamin’ireo mpanohana azy samy hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.