Vahaolana “tip top” araka ny fomba firesaka nentina nanapenana fotsiny ireo lavadavaka no hita tamin’ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina azy tato anatin’ny taona vitsy izao,
hany ka miverina ny olana isaky ny fahavaratra dia ny lavaka etsy sy eroa. Nambaran’ny filoham-pirenena ny sabotsy teo ary fa teknolojia vaovao mitsinjo lavitra no hampiasaina amin’ny fanamboarana ny arabe eto Antananarivo, ka ho mafy kokoa sy haharitra an-taonany maro ny lalana vita avy amin’izany. Tsy mbola nanome daty hanombohan’ny asa na ny kipitsopitsony ara-teknika moa ny filoham-pirenena. Azo antoka kosa fa handray an-tanana manokana ny asa ny fitondrana foibe amin’ny alalan’ny fiadidiana ny repoblika, ny minisiteran’ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary eo ihany koa ny minisiteran’ny asa vaventy. Midika izany fa voailika tanteraka amin’ny resaka fanamboaran-dalana aloha izany ny kaominin’Antananarivo Renivohitra
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.