Actualités

Fanamboaran-dalana eto Antananarivo Handaniana 10 tapitrisa Ar


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Vola 10 tapitrisa ariary no natokan’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny asa vaventy hanamboarana ireo lalana simba mirefy 32 km eto Antananarivo. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny 3 volana ny asa.

 

Anisan’ny tafiditra ao anatin’ity tetikasa ity ny fanamboarana ny lalana 400 metatra etsy Behoririka manoloana ny avance center, izay tena ratsy ary efa nahitana lavaka be tokoa. Nidina teny an-toerana nijery ny asa omaly ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka izay nanamarika fa orinasa vahiny goavana 3 azo antoka tsara no hiara-kiasa amin’ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo. Nomarihany fa fanampiana manokana izao ataon’ny fitondram-panjakana izao satria anjaran’ny kaominina, hoy izy no manamboatra ny lalana ao anatin’ny kaominina fa ny an’ny fitondrana foibe kosa dia ny lalam-pirenena ihany no andraikiny.Na izany aza anefa dia hiezaka hanampy ny kaominia rehetra ny fitondram-panjakana, araka izay azo atao, hoy izy. Haharitra efatra andro ity asa eny Behoririka ity.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT