Actualités

Fanamboaran-dalana eny Atsimondrano Hitohy eny Anosizato sy Ampitatafika, hoy i John Elite


  • Alatsinainy 02 Febroary 2015

Aorian’ny asa fanamboarana ny lalana eny Itaosy izay miala eo Andranonahoatra mihazo an’Anosimasina, kaominina Bemasoandro dia hitohy eny Avarabohitra sy Anosizato ary

  Ampitatafika indray ny asa fanamboarana raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano Randriarimalala Harijaona na i John Elite. Fisaorana lehibe no nentiny ho an’ny minisitry ny fotodrafitrasa sy ny fanajariana ny tany Rakotovao Rivo tamin’ny nanekeny hamatsy vola ny asa. Tsy misy izay tsy mitaraina amin’ny fitohanana ateraky ny haratsian’ny lalana eny Atsimondrano ny mponina izay marihina fa tsy misy ora intsony fa amin’ny fotoana rehetra mihitsy. Ankoatra izay, nomarihiny  ihany koa fa ilaina  ny fanitarana ny lalana miditra eo Anosizato noho ny fahatereny saingy mbola ilana tetibola izany ambony dia ambony izany, hoy hatrany izy. Nampanantena ny hiady ho amin’izany ny tenany amin’ity taona 2015 ity ho tombontsoan’ny rehetra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT