Ny fanamboarana ny ampahan’ny lalamby ataon’ny orinasa Madarail eo Ankadimbahoaka no nahatonga ny fitohanan’ny fiara goavana teny amin’iny faritra iny tato anatin’ny herinandro latsaka kely izao.
Raha ny tena marina dia tokony ho efa vita ny alahady lasa teo ny asa izay tokony naharitra 48 ora araka ny fe-potoana nomen’ny “Madarail” , saingy mbola nitohy hatramin’ny omaly izany. Nisedra olana, noho izany ny ankamaroan’ny mpandeha amina zotra taksibe maromaro ary nitombo avo roa heny ihany koa ny saran-dalana, satria voatery mifindra taksibe in-droa ohatra ny olona avy any Anosizato ho eny Anosy ka nandeha ireo zotra Fasan’ny Karana, satria tsy maintsy mandray taksibe hafa indray eo Ankadimbahoaka fa eo no mihodina ireo taksibe avy any Ampitatafika sy Andranonahoatra. Raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpanamboatra lalana, dia noho ny orana no antony nampihemotra ny asa. Na izany aza dia tokony efa hisokatra anio izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.