Amin’ity herinandro ity vao tena tsy hisy intsony ny fitohanana eny Andoharanofotsy raha vantany vao vita ny lalana eo amin’ny PK 10 akaikin’ny boulangerie, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanŕnan’Andoharanofotsy Ranirison Hasina.
Somary mbola nisy kely mantsy izany ny herinandro teo noho ny asa fanamboaran-dalana tsy maintsy natao izay mirefy 40 m niarahana tamin’ny minisiteran’ny asa vaventy. Natao beton avokoa io lalana io ankoatra ny lalana vita rarivato manontolo ao Mahalavolona sy Mahabo ary Iavoloha. Tanjona fohy ezaka hotratrarin’ny kaominina amin’ity taona vaovao 2016 ity, araka izany, ny hananganana sampana sosialy eo anivon’ny kaominina. Hiasa manokana amin’ny fandraisana ireo fanampiana natokana ho an’ny sahirana izy io, hoy ny Ben’ny tanàna. Maro amin’ireo malala-tanana sy mpiara-miombon’antoka mantsy no tsy mahatoky intsony ny fanomezana fanampiana tsotra sao tsy tonga any amin’ireo olona tokony hiantefany fa tsy maintsy mila antoka. Ny Ben’ny tanàna mihitsy no nanambara fa hanara-maso azy io ho tombontsoan’ny mponina ao aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.