Actualités

Fanamboaran-dalana Betsaka ny mahatsiaro an-dRavalomanana


  • Alarobia 05 Novambra 2014

Mikaikaika avokoa ny ankamaroan’ny olona ankehitriny noho ny faharatsian-dalana raha tsy hiresaka afa-tsy ny any Ambatondrazaka -Andilamena.

Efa nanomboka ny fanamboarana ny taona 2008 saingy rehefa tonga ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 dia nikatso, tsy nitohy intsony ilay asa. Nanomboka teo dia niharatsy ny lalana mampitohy ny Distrikan’Ambatondrazaka amin’Andilamena. Vao miala 1km fotsiny dia misedra olana ny vahoaka, indrindra rehefa vanim-potoan’ny fahavaratra. Tsy tenenina intsony ny lavadavaka sy ny rano mameno ny arabe. Betsaka ny mponina no mahatsiaro ny ezaka nataon’ny filoha Ravalomanana Marc teo amin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa miantraika amin’ny vahoaka mivantana. Vao nanomboka nigoka ny maminy Alaotra no nisy nisompatra ka rariny loatra raha mahatsiaro izany ankehitriny. Hatreto, tsy misy mahavaha io faharatsian-dalana io intsony ka ny vahoaka no mizaka ny mangidy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT