Actualités

Fanambin’ny FIVMPAMA Orinasa tsy ara-dalŕna 2 tapitrisa atao manara-dalŕna


  • Zoma 05 Febroary 2016

Mahatratra 2 tapitrisa mahery ankehitriny ireo orinasa tsy ara-dalŕna miorina eto amintsika izay mamorona asa hatrany amin’ny 3 tapitrisa any ho any, raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy omaly Rajaonary Eric

 

. Ny mampalahelo anefa, hoy izy dia 800.000 monja anefa mba  ara-dalàna miditra anaty fikambanana toy ny FIVMPAMA izay tarihiny. Mamono ireo orinasa ara-dalàna izany, hoy izy satria ny sasany maty mandoa hetra raha tsy manao na inona na inona ny sasany fa miaina an-kalalahana fotsiny. Fanamby hapetraky ny fikambanana tarihiny manomboka amin’ity taona 2016 ity ny hampiditra ireo orinasa tsy ara-dalàna ireo ho ao anatin’ny ara-dalàna. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovany antso avo amin’ny fanjakana mba handray fepetra hentitra hahafahan’ny orinasa malagasy miditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Nisy omaly ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao notanterahin’ny filohan’ny FIVMPAMA tamin’ireo mpikambana rehetra ao aminy, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Narahiny fanaovana tatitra ny asa vita tamin’ny taona 2015 izany. Mikasika ireo orinasa mpikambana ara-dalàna ao anatin’ny FIVMPAMA moa dia nambarany fa efa nisy ny dinika manokana nifanaovany tamin’ny tompon’andraikitra ny amin’ny tokony hanalefahana ny hetra alaina amin’izy ireny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT