Actualités

Fanambaram-pananana Ireo teboka 10 tsara ho fantatra


  • Alarobia 20 Martsa 2019

Mazava ny voalazan`ny lalàmpanorenana fa miantoka ny fangaraharahana sy mangataka fangaraharahana ny fanaovana fanambaram-pananana. Izany dia ho fanatanterahana ny lalàna manan-kery mba hisorohana ny toe-javatra izay mety hitarika ahiahy mahakasika ny kolikoly, ary adidy nohefaina eo anatrehan’ny fanjakana Malagasy.

 

Teboka folo no voarakitra ao anatin’ny fanambarana, isan’izany ny trano efa vita sy mbola haorina, ny sandan’ny entana ao an-trano, ny fiantohana aina, ny kaonty any amin’ny banky, ny antontan-taratasy sy ny boky tahiry, ireo entana ao an-tokantrano manana sanda mihoatra ny voafaritra ao anatin’ny drafi-pamantarana, ireo fiarakodia, sambo ary fiaramanidina, kaonty any ivelany sy ny fananana maro samihafa. Misy atahorana ve amin’ny filazana sy fanambarana ny fananana sa inona no mety mampialangalana sy mampalaina azy ireo hanatanteraka izany eny anivon’ny HCC? Mila mpitondra vonona sy sahy ny firosoana amin’ny asa izay mahakasika manokana ireo sehatra marefo toy ny fitsarana, ny polisy, ny zandarimaria, ny fitantanam-bolam-panjakana miaraka amin’ireo tontolo fanoitram-pampandrosoana ahitana ny fanabeazana, ny fahasalamam-bahoaka ary ny toekarena mifototra amin’ireo harena ara-boajanahary. Tsapa fa efa mahazo faka any anaty fiarahamonina koa ny kolikoly eto amintsika ary ahitana azy ny sehatra rehetra. Hahavita handresy izany rehetra izany ve ny fitondram-panjakana sa dia hijanona ho tarigetra na nofinofy fotsiny ny ady amin’ny kolikoly?

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT